Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny Fiangonana no tadiavo indrindra” (IKor 14:12)

  1. FAMARITANA ANKAPOBENY NY SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO

 Famaritana ara-jeografia

Amin’izao fotoana izao, dia ao anatin’ny Faritra ara-panjakana efatra ny Synodam-Paritany Antananarivo, dia ny Faritra Vakinankaratra, Analamanga, Itasy, Bongolava.

Mivelatra amin’ireto Distrika ireto izany: Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Ankazobe, Anjozorobe, Fenoarivobe, Andramasina, Ambatolampy, Manjakandriana, Arivonimamo, Miarinarivo, Soavinandriana, Tsiroanomandidy.

  • Famaritana araky ny rafi-piangonana
    • Nahazo ny fankatoavan’ny Synoda Lehibe (SL-18 ), izay nivory tao Antsiranana, ary notokanana nandritra ny KMSL-106 tao Ambatovinaky tamin’ny 27 May 2001
    • Ny foiben-toerany : Ambatovinaky Lot VH 20 – BP 232

 Ireo Fileovana mirafitra aminy :

  1. Ny Fileovana Ambatovinaky niorina tamin’ny taona 1927; izay misy ny Fitandremana Ambatovinaky, Ankazobe, Antotohazo, Fiadanana, Firavahana
  2. Ny Fileovana Fahamarinana 67 Ha niorina tamin’ny taona 1996 izay misy ny Fitandremana 67 Ha, Itaosy, Ambohimanarina, Arivonimamo
  3. Ny Fileovana Ambohibao niorina tamin’ny taona 2002 izay misy ny Fitandremana Ambohibao Toby, Ambohibao Antampontanana, Ivato, Mahitsy, Ambohimiadana
  4. Ny Fileovana Ankatso niorina tamin’ny taona 2002 izay misy ny Fitandremana Ambolokandrina, Ambohimanambola, Antanimora, Ambohimangakely, Tsarahonenana, Androhibe, Ebenezera Sabotsy Namehana, Fiaferana, Belanitra
  5. Ny Fileovana Anosibe niorina tamin’ny taona 2002 izay misy ny Fitandremana Anosibe, Tanjombato, Ambatofotsy, Andramasina
  6. Ny Fileovana Miarinarivo niorina tamin’ny taona 1996 izay misy ny Fitandremana Miarinarivo, Analavory, Soaviandriana, Anosibe Ifanja
  7. Ny Fileovana Sakay niorina tamin’ny taona 1996 izay misy ny Fitandremana Ankadinondry, Ambararatabe, Anosibe Soamandrakizay, Mahavelona, Mahasolo, Mevarano
  8. Ny Fileovana Tsiroanomandidy niorina tamin’ny taona 1997 misy ny Fitandremana Soanafindra, Amparihikambana, Ampihoaranimandrindrano, Ambatoantrano, Morafeno, Andranomadio, Maritampona, Bemahatazana, Belobaka
  • Ireo Sampam-pikambanana misy ao aminy :

Ireo Sampam-pikambanana fito misy ao amin’ny FLM dia velona sy misy ihany koa  ato amin’ny Synodam-Paritany Antananarivo:

  1. Ny Sekoly Alahady (SA/SPAnta)
  2. Ny Firaisan’ny Skoto (FS/SPAnta)
  3. Ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy (KTLM/SPAnta)
  4. Ny Fikambanam-behivavy Loterana Malagasy (FBL/SPAnta)
  5. Ny Fikambanan-dehilahy Loterana Malagasy (FDL/SPAnta)
  6. Ny Vokovokomanga Loterana Malagasy (VLM/SPAnta)
  7. Ny Firaisan’ny Fifohazana Loterana Malagasy (FiFiL/SPAnta)
  • Ireo Sampan-draharaha misy ao aminy :

Ireto avy ireo Sampan-draharaha misy ao amin’ny Synodam-Paritany Antananarivo:

  1. Ny Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao (SALFA/TPLA)
  2. Ny Fampianarana sy ny Fanabeazana Loterana (FFL/SPAnta)
  3. Ny Tafika Masina Maharitra (TMM/SPAnta)
  4. Ny Fanentanana Fambolena Fiompiana (FAFAFI/SPAnta) iarahana amin’ny Danmission
  5. Ny Fampandrosoana Anivon’ny Loterana (FANILO/SPAnta)
  6. Ny Seminery Teolojikam-paritany (STPL Atsimoniavoko)
  7. Ny Sekoly Fampianarana Teolojia Loterana (SeFaTeL)
  8. Ny Radio Teny Fiainana (RTF)
  9. Ny Shalom (Shalom/SPAnta)

NY FIAINAN’NY SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO

 Ny Tompon’andraikitra samihafa

Ireo mpikambana ao amin’ny Birao SPAnta nifandimby :

 

Taom-piasana Andraikitra Anarana
2000-2004 Filoha

Filoha Lefitra

Mpitantsoratra I

Mpitantsoratra II

Mpitahiry Vola

Pastora Randrianarivelo Joseph

Pastora Rakotonirina David

Pastora Randrianasolo Jeannot

Atoa Randrianjanahary Arthur

Atoa Randriatsiferana Simon Robison

2004-2008 Filoha

Filoha Lefitra

Mpitantsoratra I

Mpitantsoratra II

Mpitahiry Vola

Pastora Randrianarivelo Joseph

Pastora Rakotozafy Martin

Pastora Randrianarison Henri René

Atoa Ratefiarivony Jacques Audace

Atoa Randriatsiferana Simon Robison

2008-2012 Filoha

Filoha Lefitra

Mpitantsoratra I

Mpitantsoratra II

Mpitahiry Vola

Pastora Randrianarivelo Joseph

Pastora Rakotozafy Martin*

Atoa Ratefiarivony Jacques Audace

Pastora Randrianirina Solofoson Gilbert

Rtoa Rakotosoa Nirina Sambatra*

2012-2016 Filoha

Filoha Lefitra

Mpitantsoratra I

Mpitantsoratra II

Mpitahiry Vola

Pastora Rakotonirina David

Pastora Rakotozafy Denis

Pastora Ratefiarivony Jacques Audace

Atoa Randrianjanahary Arthur

Atoa Randrianalisoa

 

*Fanamarihana:

  • Nodimandry i Pastora Rakotozafy Martin izay Filoha Lefitra tamin’ny 06 Janoary 2009 ka i Pastora Dr Rasolondraibe Péri no nisolo azy ho Filoha Lefitry ny SPAnta nanapitra ny taom-piasana.
  • Lasa nipetraka tany an-dafy ny Mpitahiry Vola Rtoa Rakotosoa Nirina Sambatra ka Atoa Randrianalisoa no nisolo azy ho Mpitahiry Vola ny SPAnta nanapitra ny taom-piasana
  • Ny fivorian’ny Komity samihafa

 Ny Komitin’ny Synodam-Paritany (KSP)

Mivory indray mandeha isantaona ny Komitin’ny Synodam-Paritany afa-tsy amin’ny fiandohan’ny taom-piasana dia misy ny fivoriana tsy ara-potoana izay hanaovana fanavaozana ny ambaratongam-pitondrana rehetra. Ireto avy ny mpikambana ao:

  1. Ny Birao
  2. Ny Mpitondra Fileovana na ny Mpiandraiki-draharaha Fileovana rehetra
  3. Solontenan’ny mpiasa sy loholona avy any amin’ny isam-pileovana (ezahina hifandanja ny isan’ny mpiasa sy ny isan’ny loholona)
  4. Ny Tonia isaky ny Sampam-pikambanana
  5. Ny Tale sy Tonian’ny Sampan-draharaha tsirairay avy
  • Ny Komity Mpiandraikitry ny Synodam-Paritany (KMSP)

Mivory ara-potoana in-telo isantaona ny Komity Mpiandraikitry ny Synodam-Paritany. Ireto avy ny mpikambana ao izay miisa 25:

  1. Ny Birao
  2. Ny Mpitondra Fileovana rehetra
  3. Solontena loholona isam-pileovana
  4. Solontena 2 avy amin’ny Sampana (sampam-pikambanana sy sampan-draharaha)
  • Ny Komitin’ny Isantaona

Mivory indray mandeha isantaona ny Komitin’ny Isantaona. Ireto avy ny mpikambana ao:

  1. Ny Birao
  2. Ny Mpitondra Fileovana rehetra
  3. Solontena iraky ny isam-pileovana
  4. Ny Tonia sy ny Filohan’ny Sampm-pikambanana
  5. Ny Tale sy ny Tonian’ny Sampan-draharaha
  • Ny Komitin’ny Sampam-pikambanana

Samy manana ny fivoriany indray mandeha na indroa isantaona ny Komity Sampam-pikambanana tsirairay avy

  • Ny Komity Mpitantanan’ny Sampan-draharaha

Samy manana ny fivoriany indray mandeha na indroa isantaona ny Komity Mpitantan’ny Sampan-draharaha tsirairay avy

 Ny isantaonan’ny Synodam-Paritany : Herinandro faharoa ny volana Septambra ka maharitra 5 andro

 Ny Fihaonamben’ny Sampam-pikambanana : samy manana ny datiny sy ny toerana hanatanterahana  araka izay handaharan’ny KSP azy.

 Ny Andron’ny Toby

Ireo Tobim-pifohazana misy : izay samy ankalazaina isa-taona ny andron’ireo Toby ireo tsirairay avy

  1. Toby Miarinarivo miray amin’ny Tobilehibe Farihimena ( 17 May-hanokanana Mpiandry)
  2. Toby Soatanana Ilafy miray amin’ny Tobilehibe Soatanana (30 May-hanokanana Mpiandry)
  3. Toby Ambohibao miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza (22 Novambra-hanokanana Mpiandry)
  4. Toby Fiadanana Ambohijanaka Fiaferana miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza (12 Jona)
  5. Toby Ambohimiadana miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza (Alahady fahatelo volana Jona)
  6. Toby 67 Ha Logement 238 miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza (22 Oktobra)
  • Ny Fiofanana samihafa
  1. Fiofanan’ny Mpitondra Fileovana rehetra
  2. Fiofanan’ny Komity isan’ambaratonga rehetra
  3. Fiofanan’ny Mpitahiry vola rehetra
  4. Fiofanan’ny Mpampianatra Sekoly Alahady
  5. Fiofanan’ny Katekista
  6. Fiofanan’ny Pastora sy ny vadiny
  • NY ASA NOSAHANIN’NY SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO

 Ny asa fitoriana ny Filazantsara

  • Anisan’ny zavatra nifotoran’ny Synodam-Paritany Antananarivo ny fanitarana ny ambain-dain’ny Fanjakan’Andriamanitra. Araka izany dia vain-dohan-draharahany indrindra ny fanaovana Tafika Masina tamin’ny alalan’ny TMM/SP sy ny FIFIL/SP ka ikendrena fiorenan’ny Fiangonana hatrany.
  • Ny fananganana ny SeFaTeL izay mikendry indrindra ny fanofanana olona hitory ny Filazantsara sy ny fanofanana ho Evanjelistra sy Katekista izay mianatra mandritra ny roa taona (efa andiany 5 izao no efa navoaka)
  • Ny fiaraha-miasa amin’ireo Synoda mpiray ombon’antoka amin’ny fitantanana sy fampandehanana ny STPL Atsimoniavoko sy fanohana ny Mpianatra STPL
  • Ny fananan’ny Synoda ny Radio Teny Fiainana dia fitoriana ny Filazantsara mivantana sy fanabeazana.
  • Ny fananganana ny Soritr’asa “LBM’ (Loharanom-Bola Maharitra)
  • Fiaraha-miasa hahazoam-bokatra ny fitoriana ny Filazantsara @ Havana Silamo iandraiketan’ny Shalom/SPAnta
  • Fampiofanana tsy miato ny ambaratonga samihafa (Katekista,Mpampianatra SA sns…)

 

  • Ny asa fampandrosoana ankapobeny

Anisan’ny nimasoan’ny Synodam-Paritany Antananarivo ny fanampiana ny tantsaha tamin’ny alalan’ny FAFAFI.
Manana tany ao Fiaferana ny Synoda izay hanatanterahana fambolen-kazo isaky ny faran’ny volana Janoary. Fanatsarana ny fomba fiasa sy ny vokatra andrasana @ fambolen-kazo
Ny fananganana niaraka tamin’ny FANILO Foibe – FANILO EMPOWERMENT (Renforcement de Capacité)
Fananganana ny atao hoe “CLER’ (Cercle Luthérien d’Etude et de Reflexion)
Ny fitsaboana izay tanterahin’ny TPLA izay tena mandroso tokoa ary efa mihitatra ankehitriny satria dia efa tafatsangana ny dispensaire ao Anosibe Ifanja sy Tsiroanomandidy

  • Ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana

Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny Fanjakana:

  1. Fanarenana ireo rehetra simban’ny rivo-doza nifanesy teo amin’ny Firenena
  2. Ady amin’ny SIDA
  • Ny Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany

Misy ny ny fiaraha-miasa amin’ny Danmission :

  1. amin’ny alalan’ny FBL/SPAnta momba ny fanabeazana ireo zaza avy amin’ny fianakaviana sahirana, TCC ( Tana Children Care) no iantsoana ity Soritr’asa ity
  2. amin’ny alalan’ny FAFAFI/SPAnta
  3. Fankatoavana avy amin’ny KMSL ny hahahazoana fifandraisana toy ny Fiangonana sy ny Synoda rahavavy

FANKALAZANA NY TSINGERIN-TAONAN’NY SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO

 Nankalaza ny faha-dimy taonany tamin’ny taona 2006 ; ka efa tafatsangana soamantsara ny Tsangambato dia ny Radio FM nomena anarana hoe : “RADIO TENY FIAINANA”

  • Nankalaza ny faha-folo taonany tamin’ny taona 2011; ka ny Tsangambato dia fananganana ny Trano Foibe miaraka amin’ny Trano hitoeran’ny Filohan’ny Synoda mifandimby (ao Ambatovinaky ihany no toerana hananganana izany)

 

NY HO AVIN’NY SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO

Ny ho avin’ny Synodam-Paritany dia an’Andriamanitra ary Izy no mitondra sy mitantana ny Azy. Noho izany dia, Izy no Tompon’ny ho avin’ny Synodam-Paritany sady mandrindra izany araka ny fitiavany sy ny famindrampony, kanefa nametrahany adidy ny tsirairay hahatanteraka ny fikasany rehetra ao amin’ny Azy, koa ny Biraon’ny Synodam-Paritany vaovao sy ny Komity vaovao izay tarihiny dia manana fanamby lehibe amin’ny alalan’ny Programan’asa izay efa nandalo ny fankatoavan’ny Komity Mpiandraikitra ka harafitra ho Boky “Plan Synodal de Développement” (PSD/SPAnta)

  • VINA:

HAMPANDROSO:

  • NY FINOANA
  • NY FAHALALANA TSARA NY MARINA
  • NY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA

ZAVA-KENDRENA:

Fampandrosoana ny olona tsrairay sy ny olona manontolo, ny Fiangonana tsirairay ka miantraika amin’ny rafitra isan’ambaratonga: Fiangonana, Fitandremana, Fileovana, Synoda. Ireto avy no tokony ho voakasika amin’izany:

  • Fitomboana ara-pinoana
  • Fampitomboana hatrany ny isan’ny Trano Fiangonana, Fitandremana, Fileovana
  • Fampitomboina ny isan’ny Mpanao raharaha
  • Fampanjakàna ny fifankatiavana
  • Fampivelarana hatrany ny fanasoavam-bahoaka
  • Fahamatoran’ny rafi-pandaminana
  • Fitantanam-bola matotra sy matanjaka ary mangarahara

IREO VOKATRA EZAHINA HO AZO :

Avy amin’ireo zava-kendrena ireo no ho trandrahana tsirairay avy ka  ezahina hahazoana vokatra.

Tantara mitohy arak’izany ny asa sahanin’ny Synodam-Paritany Antananarivo ity. Koa na ny efa vita na ny mbola hatao dia irina hatrany ny hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra Tompon’ny asa. Fitaovana ihany isika olombelona fa  Andriamanitra no miasa hahatanteraka ny fanaovana sy ny fikasana rehetra.

Noho izany dia isaorana Andriamanitra ary isaorana koa ny mpiara-miasa, indrindra ny Fiangonana tsirairay izay mirafitra amin’ny Synoda ity, fa isika rehetra no trano arafitr’Andriamanitra ary ny fifanomezan-tànana sy ny fiarahana mivavaka ataontsika no hery lehibe ho entintsika manatanteraka ireo dingana manaraka rehetra.