HARILANTO : hanao hetsika ao amin’ny VIVA ARENA

Mpanakanto efa tsy zoviana amin’ny maro intsony raha i Harilanto noho izay talenta  ananany eo amin’ny fiangaliana ny hira ara-pilazantsara izay,anisan’ny hira tena nahafantaran’ny mpankafy an’ny Harilanto ohatra ny hira mitondra ny lohateny hoe « malalany ianao » izay hira tsy afaka ao am-bavany ny olona tokoa. Araka izany, i Harilanto dia hikarakaraka hetsika  goavana ho fiderana an’Andriamanitra izay hatao ny alahady faha 03 ny volana jona 2018 ho avy izao,izay  hatao ao amin’ny VIVA ARENA manomboka amin’ny 02 ora sy sasany. Misy ihany koa anefa ireo mpanan-kanto nasaina manokana amin’izany,izay ahitana an’ny Joseph d’af sy ny tarika mialy rakotomamonjy.Efa vonona tanteraka na ireo mpanakanto hanao ny hetsika na ny toerana handraisana izany araka ny resadreasaka nifanaovana.Tsy izany ihany anefa ; fa hivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny CD Audio an’ny Harilanto izay nampitodrainy ny lohateny hoe «  Malalany ianao » miaraka amin’ny fonomezana manokana,izany no natao moa dia ho fanomezana fahafaham-po an’ireo mpankafy an’i Harilanto.Ny tapakila fandraisana anjara dia efa azonao jifaina eny amin’ny boutique family in jesus Ampatsakana, restor para-10 Ambatomena,Pharmacie d’Analakely ary eny amin’ny VIVA ARENA.

Partager cette publication

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *