kanton’ny fanantenana: hanao hetsika amin’ny iray volan’ny saloma

sary tahiry: ireo katita kely antokom-pihiran’ny sekoly alahady

Isan’taona dia manana fahazarana mikarakara hetsika lehibe ry zareo avy ao amin’ny antoko-pihiran’ny sekoly alahady FLM 67ha «  Kanton’ny fanantenana » izay fanaon’izy ireo isakin’ny iray volan’ny saloma.Amin’ity taona ity ary dia mitontona ny alakamisy faha 10 ny volana may izany,izay andro niakarana .Araka izany dia hisy antsam-piderana lehibe amin’io fotoana io manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny FLM toby fanantenana 67ha ihany ; iarahana amin’ny : Kanton’ny fanantenana sy ny kerobima finoana FLM avatr’ankatso ary ry zareo avy ao amin’ny tanoran’ny faritra faha-fito izay miaraka aminy ao amin’ny FLM 67ha ihany . Izany no natao moa dia ho fiderana an’Andriamanitra manokana nohon’ny nitantanany ny antoko-pihira sy ny sampana.

Partager cette publication

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *