Jobily Pastora Dr RAZAFINDRAKOTO Andrianoelina Georges, mivady

« Ampy ho anao ny fahasoavako » II Kor 12.9

Misaotra an’Andriamanitra tokoa isika ry havana fa, noho ny fitahiany sy ny fahasoavany dia tratra ny Jobily faha 30 taona niasan’ny mpanompony,Pastora RAZAFINDRAKOTO Andrianoelina Georges mivady, teo amin’ny sahany. Efa nankalaza izany vanim-potoana izany isika mianakavy tamin’ny nanokafana ny Jobily izay noterahina teny amin’ny Fileovana Anosibe, Fiangonana Anosibe fampiraisana nandritra ny famaranana ny Fivorian’ny Komity Synoda faha 20.

Nandritra iny fanokafana iny, dia hita tokoa ny efa niomanan’ny Fileovana Anosibe iray manontolo tamin’ny handraisana izany Jobily izany, ka ny Fiangonana isany avy tamin’izany Fileovana izany dia efa nanomana ny fanomezana ho azy mianakavy ho anjara biriky amin’ny fanorenana trano honenana izay iriana atsangana eny amin’ny Bypass Antananarivo.

Nandritra io fotoana io koa, dia nampanantena ny Fileovana Fahamarinana fa hanao ny azy koa izy ireo, mandritra ny famaranana ny fankalazana izay tanterahina ny Alahady faha 28 Avrily 2019, ary dia ho tahak’izany koa ny Fileovana 15 eto Antananarivo.

Nahafinaritra iny fankalazana iny, fa hita tokoa fa manaja Ray Aman-Dreny ny Kristiana Loterana ary mahay mankasitraka amin’izay soa vitan’ny mpanompony tamin’ny nanompoany ny Fiangonana sy izay mbola ho ataony.

Mbola hitohy izany fankalazana ny Jobily izany  any amin’ny Fiangonana, Fitandremana, Fileovana, Sampana tsirairay avy araka ireto daty manaraka ireto :

FANKALAZANA IOMBONANA :

Fanokafana : Alahady 29 Avrily 2018, FLM Anosibe

Ivony : Asabotsy 13 sy Alahady 14 Oktobra 2018, FLM Ambatovinaky

Famaranana : Asabotsy 27 Avrily – Alahady 28  Avrily 2019, FLM Fanantenana 67ha

FANKALAZANA ISAM-PILEOVANA

Ambatovinaky : Alahady 27 Janoary 2019 + Sakafo Marsa 2019

Fahamarinana 67ha : Alahady 28 Avrily 2019

Ambohibao : Alahady 29 Oktobra 2018, FLM Ivato

Ankatso : Alahady 15 Jolay 2018

Anosibe : Alahady 29 Avrily 2018

Namehana : Alahady 22 Jolay 2018

FANKALAZANA ISAN-TSAMPANA

Sekoly Alahady

FSFLM : Alahady 27 Oktobra 2019

KTLM : Alahady 30 Septambra 2018, FLM Anjeva

FBL : Alahady 24 Jona 2018, FLM Tsiroanomandidy

FDL : Alahady 13 May 2018, FLM Ebenezera

VLM : Alahady 12 Aogositra 2018, FLM Morafeno

FD FLM : Alahady 08 Avrily 2018, FLM Fanantenana 67Ha

FANKALAZANA ISAN-TOBY

Toby Andranotaratra : Alahady 10 Marsa 2019

Toby Mahasoa Miarinarivo : Alakamisy 17 Mey 2018

Toby Ilafy : Alakamisy 30 May 2019

Toby Siloama Amparihikambana : Alahady 03 Jona 2018

Toby Antohomadinika : Sabotsy 08 Jona 2019

Toby Fiaferana : Alahady 10 Jona 2018

Toby Ambohimiadana : Alahady 17 Jona 2018

Toby 238 67Ha : Alahady 20 Oktobra 2019

Toby Ambohibao : Alakamisy 21 Novambra 2019

 

 

 

Partager cette publication

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *