« Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra! »

Isaia 40:9

RAHARIMALALA Bernadette
Tale RTF

Miarahaba anao amin’ny anaran’i Jesosy mahazo izao andro tsara izao, no tonga soa ihany koa eto amin’ity tranokalan’ny Radio Teny Fiainana ity.
Misaotra an’Andriamanitra isika fa nomeny izao fitaovana vaovao izao, tranokala izay ahafahan’ny samy zanak’Andriamanitra rehetra mifandray.
Ato no ahitanao ny mombamomba ny radiontsika amin’ny fomba ofisialy, toy ny fandaharana vokariny, ny olona miasa ao izay mamelona ny onjam-peo ary ireo mpiara-miasa aminy.
Etoana dia mirary soa ho anao sahady eto ampitsidihana izao tranokala izao, hahita izay ho tadiavina ary ho afa-po amin’izay ilaina.
Ary aza hadinoina ny mametraka fanamarihana amin’ny hanatsarana ny tranokala sy ny onjampeo rahateo.

Mirary soa indrindra tompoko!

Antompisiany

  • Mitory ny filazantsaran’I Jesosy
  • Mijoro vavolombelona
  • Mampandroso ny olona manontolo: tena, saina, fanahy.

Ireo tanjona kendreny

Ny ahazoan’ny olona famonjena sy hanabe ny olona ho mpandray andraikitra, handrosoan’ny FLM sy hialan’ny firenenana amin’ny fahantrana ka hahatonga azy ho vanona sy handroso.

Ny vokatra andrasana:

Olona voavonjy,
Fiangonana sy firenena mandroso.

TANTARA

RANTSANA

Ireo rantsana miray amin’ny Radio Teny Fiainana

IREO FANDAHARANA VOKARIN'NY RADIO TENY FIAINANA

Mamokatra fandaharana maro sahaza ho an’ny rehetra ny onjampeo, misokajy maro tahaka izao izy ireo

  1. Isan’andro
  2. Isaky ny herinandro
  3. Vokarin’ny Synodam-Paritany sy ireo Sampana ao
  4. Vokarin’ny Mpiara-miasa amin’ny RTF

VAOVAO

VAOVAN’NY FIANGONANTSIKA
HARILANTO : hanao hetsika ao amin’ny VIVA ARENA

Mpanakanto efa tsy zoviana amin’ny maro intsony raha i Harilanto noho izay talenta  ananany eo amin’ny fiangaliana ny hira [...]

kanton’ny fanantenana: hanao hetsika amin’ny iray volan’ny saloma

sary tahiry: ireo katita kely antokom-pihiran’ny sekoly alahady Isan’taona dia manana fahazarana mikarakara hetsika lehibe ry zareo avy ao amin’ny [...]

FLM: hankalaza ny jobily pastora ANDRIANARIJAONA Germain mivady

      Taorian’ny fivorian’ny komity nasionalin’ny FIFIL(KN FIFIL 2017) tamin’ny volana Novambra 2017 lasa teo tao amin’ny FLM Ambatovinaky sy ny [...]

Jobily Pastora Dr RAZAFINDRAKOTO Andrianoelina Georges, mivady

« Ampy ho anao ny fahasoavako » II Kor 12.9 Misaotra an’Andriamanitra tokoa isika ry havana fa, noho ny fitahiany sy ny [...]

TATITRY NY FANAPAHAN-KEVITRY NY KOMITY SPAnta faha-20

Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa vita soa amantsara ny Komity ny Synoda SPAnta faha 20; izay notanterahina tao amin’ny Fileovana [...]

FLM Ambatovinaky
Tél: 033 89 428 97 / 034 19 201 58 / 032 04 198 03 / 034 49 879 12
Email: flmspantartf@gmail.com
Web Radio www.flm-rtf.org
Appel Direct: 033 65 019 12/034 30 879 12
SMS: 033 56 019 12 / 034 34 879 12
BOA No:  N°00009 05020 12191830029 33
Airtel money:   033 23 995 12
M’Vola: 034 58 738 80

PEJY FACEBOOK RTF

Alaivo eto ny application Radio Teny Fiainana